THT - Tena Ho Tsaroanao

NY FANANANA TOE-TSAINA MIRONA AMIN’NY FAMORONANA SY NY FAMORONAN-JAVATRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 22:02

Ny filàna miforona ao amin’ny fiarahamonina izay mitondra mankamin’ny fahasahiana manonofinofy no mety iavian’ny toe-tsaina mirona amin’ny famoronana mitondra mankamin’ny famoronan-javatra. Mety ho teraka avy ao anatiny ihany ireny filàna ireny, fa mety koa ho vokatry ny fiseraserana amin’ny tontolo hafa avy any ivelany.

Ny filàna ateraky ny fiseraserana amin’ny tontolo ivelany dia sady tsy tsara no tsy mahasoa, satria matetiika izy ireny dia tsy mifanentana akory amin’ny zava-misy iainana eto an-toerana. Fakana tahaka be fahatany izay ataon’ny hafa, mamolavola batribatrin’olona no vokatr’izany. Fa ireny karazan’olona ireny no lasa mpanamafy ny riban’ny hafa izay manapotika tsikelikely ny an’ny tena, ary mpanabe voho ny toe-karen’ny hafa, satria tonga mpanjifa tsy misy fepetra ny voka-pamoronan’ny hafa.

Ato amin’ny tontolo anatiny anefa dia ny fahaiza-mihanona sy mionona amin’ny tontolom-piainana tsizarizary no mahazo laka na aiza na aiza. Endri-pahantrana manome vahana ny savoritaka sy ny korontana no mahazo laka na aiza na aiza aleha. Tsy misy anefa hery afaka manokatra ny masom-panahin’ny olona hahita sy hahatsapa fa tsy mendrika azy io tontolom-piainana tsizarizary iainany isanandro io. Tsy misy hery na fahefana afaka mamboly filàna vaovao mahasoa sy mampivoatra kokoa ny fiainanan’ny olona hany ka lasa volan-kakafotra ny fiainana ka ny omaly tsy miova ihany, matetika aza miharatsy kokoa.

Ny fianarana koa anefa dia afaka mamolavola io toe-tsaina mirona amin’ny famoronana io, raha toa ka fampianarana mifahatra kokoa amin’ny fiainana iainana sy ny zava-misy ("pragmatique") no atao. Ny tsirin-tsaina teraka avy amin’izany no hanentana ny saina mamoron-javatra ao amin’ny fiarahamonina.

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


IREO ANTON-JAVATRA SASANTSASANY MAHATONGA NY OLONA HAHANTRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 08:41

Misy ny hilaza fa hoe "kamo ny Malagasy" dia izay no mampahantra azy. Mety hisy lafiny mahamarina azy izany, saingy raha ny foto-pisainana lafika eo amin’ny Malagasy dia tsy ahitana taratra izany loatra. Fitaizan-tsaina sy fandrafetana fitondrantena manohitra izany aza no ambaran’ny ohabolana fampiasany andavanandro : "aza manao kamo be tenda" ; "mandehàna dieny malaina fa rehefa mazoto tsy ho afaka intsony", fa "tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto". Ary matoa izy milaza hoe : "izay mihina-maraina, tsy rava nofo", dia milaza izany fa mpifoha maraina ny Malagasy ; voamariky ny famataranorany izany : "mifoha olo-mazoto".

Tsy lavina kosa anefa fa dia mihamazo laka ihany ny hakamoana indraindray. Nahoana anefa ?

- eo aloha ny tsy fananan’ny ankamaroan’olona fahaiza-manao zavatra tena hentitra hoenti-mamaly ny filàn’ny fiarahamonina mba ho lasa loharanom-bola ho azy ; tsy misy loatra ny tena mahay miasa, fa ny mahavita kiasaasa madinidinika eny no maro

- izay mamboly indray dia tsy mahay mampivoatra izany fambolena ataony izany, satria tsy nisy nampianatra azy hanatsara izany mba hahazoany vokatra misimisy ary tsaratsara kokoa hatrany ; manginy fotsiny ny olana eo amin’ny fananan-tany : lasan’ny olona manana satria mahay mamorona taratasy ara-panjakana ny "sola-pangadiny" ; izay kely ananany aza mihena an-toerana satria mitombo ny mpandova, mitombo isa koa ireo manambola sy mahay taratasy afaka manambaka azy eo amin’ny tany izay navelan’ny razany ho azy

- ireo izay miompy koa dia tsy mahavanona izany loatra, satria sady tsy ampy ny fahaiza-manao, tsy ampy ny hoenti-manana no toa lasa manatavy fotsiny ny ho an’ny sasany mpamaky fisoko sy mpamaky vala.

- toa mahatsiaro tena ho tsy misy mpihevitra sy mpiahy ny ankamaroan’olona, ka voatery miahy tena ; ary matetika rehefa tsy tafavoaka izay fiahian-tena izay, satria ny rafi-pitondrana misy dia tsy mandrisika na tsy mamela izany loatra, koa dia lasa mirona mankamin’ny tsy ara-dalàna ireny antokon’olona ireny : manao risoriso, manao kolikoly, manambaka sy mamitapitaka eny, ary ny sasany aza dia lasa lavitra mihitsy, satria tonga manao sinto-mahery, mangalatra, mamaky trano, ary mamono olona mihitsy aza, satria mba te hanana izay ananan’ny sasany ao anatin’ny fotoana fotoana, ary tsy mba misasatra amin’izay ananany.

 

nosoratan'i Désiré Ranaivosoa tao amin'ny Facebook, nangonin'i Angona


Powered by LifeType