THT - Tena Ho Tsaroanao

02 Aog, 2015

Valin-kafatra ho an'i Rossy

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 22:27

«Toujours victime mais jamais responsable!» hoy i Alidera AR izay.

Io no tena olana tsy mampandroso antsika Malagasy.
Natao ny hangina fa misy karazan-javatra tena mahavaka mihitsy.

Tsy maninona asehoy daholo ny mari-pahaizana rehetra. Fa toa tena fahaizana tsy amim-pahalalana izy ity sady lany henatra koa angamba.

Milaza ianareo fa demokraty manaja ny safidim-bahoaka kanefa nandray basy nanao fanamiana kolonely, raha ny sary nandeha eraky ny tanàna no inoana, nanongam-pitondrana ary namingavinga ny safim-bahoaka tamin'ny 2009. Manginy fotsiny ny filazana fa manana mari-pahaizana ambony amin'ny resaka lalàna...

Fa ny tena mahagaga sy mahazendana dia ny toa tsy fahalalana akory ny andraikitra nangatahana na norombahana ho raisina.

Efa ianareo no nitondra ny tany sy ny vahoaka nandritra ny enin-taona. Fa mbola ny olona efa nalefa sesi-tany no omena tsiny. Sa mbola ny olona efa sesi-tany ihany sady tsy navela hody no asaina mandroaka ny fakonareo? Ny toerana nalainareo fa ny adidy sy andraikitra miaraka aminy navelanareo. Fa vola miditra ho an'i Madagasikara angaha ny hofan-trano sy ny hetra naloanareo any Frantsa na Arabia Saodita na Maorisy...? Manome asa ho an'ny vahoaka Malagasy angaha izany? Indrindra ilay vahoaka lazainareo fa amabany tanàna?

Fa ny "OrinasaTiko" na andeha lazaina aza hoe tsy nandoa hetra, ohatrinona ny vola nampiasainy teto ary nampiasa Malagasy? Ohatrinona ny volany nipetraka teto amin'ny banky teto Madagasikara?

Dia tena mahagaga tokoa ity solom-bavam-bahoaka Malagasy lany teto Iarivo ity manaiky ny hoe «aleo ny any @ province @ zay no ataontsika tsara noho ny antananarivo fa reto tanà reto olona hypocrite daholo... aleo hiosona anaty lavaka, fako sy ranotay ao ...». Mba tadidy ve farafaharatsiny hoe ny olona nifidy anareo anie no hihosona anaty lavaka sy fako ary ranotay??? Mbola ireo ihany koa ilay vao avy nitsabo 9.
Mba olona mieritreritra an'i Madagasikara ve no mahasahy miteny fa aleo ny Renivohitra ho simba? Solom-bavam-bahoakan'i Madagasikara tokoa ve?

Aoka lehiretsy fa mba efa olona nafahana ianareo a! Naka toerana eto amin'ny tany sy ny Fitondrana ianareo na tamin'ny hery io na nangatahana. Dia raiso ilay adidy sy andraikitra miaraka aminy fa aza ny hafa foana no omena tsiny lava.
Dia misaotra mampahatsiaro fa tena ao anaty adidy sy andraikitry ny solom-bavam-bahoakan'i Madagasikara izahay na tsy nifidy azy aza. Aza variana amin'ny arina ery handrin'ny hafa fa jereo ihany koa ilay andry ao anaty maso e.

Dia na inona na inona no teotran'ny mponin'Iarivo, na hypocrite izy na izay anarana rehetra efa nomena azy, tsy ifanerena ny mipetraka eto e! Aza mampijaly tena eto, ary indrindra aza mampijaly ny mponina eto. Hajao ilay tany sy ny mponina ary ny tantarany. Raha lafatra ny tany an-kafa nifindra tany ianareo.

Malalaka ity Madagasikara mamitsika ity sady tsara raha asondrotra amin'izay izy ity e! Mila sy efa mitaky ny isehoan'ny tena lanjan'ireo baoritra be dia be efa dradradradraina lava ireo manko izy ity
.

Basy atifi-kavana tsy misy «hypocrisie» ny ahy! Raha hanao dia andao atao tsara ary aleo mifanaja.

Omeo ohatra tsara ny vahoaka e!

Trafon-kena ome-mahery. Am-bava homana, am-po mieritra.
Atsipy ny tady ho eny an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny ho any am-pon'ny mahalala.

Aiza ry avara-pi!!!???
https://www.facebook.com/madagascar.rossy/posts/434419196769269?pnref=story

 

Andriamahery AR tao amin'ny Facebook

 


Hevitra


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

Powered by LifeType