THT - Tena Ho Tsaroanao

Tiavo ny asanao fa aza mitia ny orinasanao

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 11:53

Tiavo ny asanao
fa aza mitia ny orinasanao,
satria mety tsy ho fantatrao
hoe rahoviana ny orinasanao
no mitsahatra amin'ny fitiavana anao.
______________________________________

Dr. APJ Abdul Kalam


Mialà hatrany ara-potoana ao amin'ny biraonao

1. Tsy manam-pitsaharana mihitsy io asa io. Tsy mety ho feno na vita tanteraka.
2. Zavadehibe ny fitodihana amin'ny mpanjifa, tahaka izany ihany koa ny ankohonanao.
3. Raha lavo ianao amin'ny fiainanao, tsy hanampy anao na ny lehibenao na ny mpanjifanao, ny fianakaviana sy ny namanao no hanampy anao.
4. Tsy resaka asa birao na mpanjifa ihany tsy akory ny fiainana. Misy zavatra hafa ihany koa amin'ny fiainana. Mila mifandray amin'ny manodidina ianao, mila miala voly, maka aina ary manao fanazara-tena. Aza avela ho tsy misy dikany ny fiainanao.
5. Tsy olona miasa mafy ny olona miala tara ao amin'ny birao. Ny izy kokoa aza dia olona adala tsy mahay mandrindra ny asa ao anatin'ny fotoana natokana ho amin'izany izy. Tsy mahomby ary tsy mahay ny asany izy.
6. Tsy nianatra mafy sy hitolona mafy ao amin'ny fiainana ho lasa milina [machine] ianao.
7. Raha manery anao hiasa alina ny lehibenao, dia mety ho tsy mahomby amin'ny asany izy ary tsy misy dikany koa ny fiainany; dia alefaso any aminy ity hafatra ity.

Fialana ara-potoana ao am-piasana :

Fahaiza-miasa
Fananana fiainana ara-piarahamonina tsara (sy mahafinaritra)
Tsara sy mahafinaritra ny fiainam-pianakaviana

Fialana tara ao am-piasana :

Tsy fahaiza-miasa
tsy manana fiainana ara-piarahamonina
Fiainam-pianakaviana kely dia kely


Nadikan'i Zo Andriamifidisoa (jentilisa) ho amin'ny teny malagasy ao amin'ny Facebook

PS: Izaho kosa manao hoe Aza manaiky ampiasain'ny orinasa ora mihoatra betsaka noho izay napetraky ny lalàna fa fanambakana anao tanteraka izany.

 


Powered by LifeType