THT - Tena Ho Tsaroanao

Lahatsoratra nanjavona? resaka fiainam-pirenena

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:49

Miarahaba antsika rehetra indray e!Mba tena tohina sy nalahelo ny fo raha nahare fa hay ve ka nasaina nianto-tena ireo gadra 5 mirahalahy Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan'ny ACM 4 namany rehefa avy novotsorana tamin'ny gadrany tany Diego ka hody any Antsirabe.

Marihina fa misy raim-pianakaviana sahirana tamin'ireo mpiasan'ny ACM ireo satria na dia ny sakafo nohanina tany amponja aza dia nifampitadiavana sy nanahirana isan'andro nandritra izay 55 andro nangejàna azy ireo izay.Tsy mba afaka namangy azy ny fianakaviany noho ny fahasahiranana ary mazava ho azy fa tsy mba nanana mpisolovava ry zareo niaro azy tamin'izao tranga mampalahelo sy tsy rariny nahazo azy izao.

Ankehitriny dia fantatra fa nasaina nianto-tena ry zareo nandeha nody any Antsirabe.Iaraha-mahalala tsara nefa ny elanela-tany misy avy ao Antsiranana sy Antsirabe izay tsy natao ho an'ny rehetra ny fananana vola atao saran-dalana amin'izany.Ny azo ambara dia niaritra sy nisedra ny tsy rariny sy fanaovana tsinontsinona hatramin'ny farany ireto raim-pianakaviana ireto.

Raha ny tokony ho izy sy fanao any @ tany mandroso manaja ny zon'olombelona dia farafaharatsiny mba nanampy na dia kely monja ireo mpiasa sy raim-pianakaviana ireto ny orinasa iasàny (ACM) saingy ity farany koa vao maika nampivandravandra tamin'ny firaisana tsikombakomba amin'ny fampanjakàna ny tsy rariny ataon'ny fitsaràna izay lasa fitaovana politika eo ampela-tanan'ny fitondràna ankehitriny. Raha ny tokony ho izy dia ny fitsarana no aro sy fiarovana ny madinika saingy indrisy fa ny mifanohitra amin'izany no mitranga ankehitriny.

Ny dahalo mpamono olona sy mpandrava fananan'olona MODY niova fo indray no arovana sy tohanana ara-bola. Eto ny tenako dia mirary soa sy mankahery manokana ireo rehetra izay iharan'ny tsindrihazolena sy miaina ny tsy rariny rehetra eto amin'ity Firenentsika ity ary singaniko manokana amin'izany ireo raim-pianakaviany dimy mirahalahy nigadra tany Antsiranana sy ireo gadra politika mbola miforitra any amponja any ankehitriny.



Etsy andanin'izay raha ny vaovao heno dia handeha hikopak'elatra hiverina any France (Doubai???) indray Atoa Andry Rajoelina rehefa avy nandalo fotoana vitsy teto an-tanindrazana. Toy ny efa mahazatra an'ity sefon'ny tetezamita teo aloha ity moa dia any amin'ny firenena ivelany hatrany izy sy ny fianakaviany no miatrika ny fetin'ny noely sy faran'ny taona hatramin'izay. Tsy misy maharatsy izany satria izay no safidiny; ny ho enti-manana rahateo misy dia misy saingy ny mba tiana hisintomana ny saintsika namana eto dia ny fisian'ny mizàna tsindrian'ila sy fanaovana zanak'Ikalahafa ny Filoha Marc Ravalomanana.

Ny Filoha Marc Ravalomanana izay filoham-pirenena voafidim-bahoaka in-2 nisesy teto @ Firenena dia mbola tsy mahazo fahafahana hatramin'izao na dia teo aza ilay saritsarina "réconciliation nationale" teny Ivato. Amin'ny fomba ahoana tokoa moa no hahafahan'ny olona 2 na 5 miady hevitra sy mandinika ny ho avin'ny Firenena raha ny sasany manana fahafahana mivezivezy sy malalaka amin'izay rehetra tiany atao, ny iray kosa giazana sy gadraina ary tapenam-bava mba tsy hilazàna hoe atao "otage politique"?

Ialako tsiny amintsika namana rehetra eto fa amiko manokana dia tsy rariny ary fihatsarambelatsihy tanteraka no manjaka eto amin'ny firenena ankehitriny. Amiko mantsy, ary inoako fa maro ny namako no mitovy hevitra amiko, dia i Andry Rajoelina no fototry ny olana sy tokony iharan'ny sazy henjana eto taorian'ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataony teto amin'ny firenentsika. Fanonganam-panjakana izay mbola mampitondra takaitra ny Firenena sy ny fiainan'ny vahoaka Malagasy an-tapitrisa hatramin'izao.Tsy mbola nahantra sy fadiranovana toy izao ity Madagasikara ity fa aleo hazava tsara ny resaka.

Amin'ny fo tsy miangatra: Rariny ve? Ara-dalàna ve ny fahasamihafàna misy eo amin'ny raharaha Rajoelina sy Ravalomanana ankehitriny?

Na izany na tsy izany dia mankahery sy manohana hatrany ny FFKM manoloana izao adidy mankadiry iantsorohan'izy ireo izao. Andriamanitra tokoa anie hanolo-tsaina sy hanome hery azy ireo.

"Gilbert Rajaofera"

(Lahatsoratra saro-tadiavina!)


Powered by LifeType