THT - Tena Ho Tsaroanao

6 avril 2020 – Ny Filoha Marc Ravalomanana no vahinin'i Gascar Fenosoa sy Diamondra Andrianaivo:

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 20:39

6 avril 2020 – Ny Filoha Marc Ravalomanana no vahinin'i Gascar Fenosoa sy Diamondra Andrianaivo:

🤣Eéé, tamin'ny fifidianana anié, raha voalohany nareo, dé zahay faharoa é, raha tsy atao oé voalohany koh aza ... Sa tsy marina zany?? (Nihomehy ny iray trano) Hitanao zany?!!!

🤣Santionany fotsiny ireny bidons ireny fa tsisy dikany anie ireny é! Mila mahafantatra tsara fotsiny ny olona, fampianarana ireny, mila madio.

🤣Amin'ny situation exceptionnelle toy izao dia tsy maintsy manao formulation ana stratégie isika, na mamorona paik'ady: transparence, communication, objectif et solidarité.

🤣Izaho dia môdely fotsiny, mampiseho ohatra tsara aho. Fantatro ianareo fa niantso ahy hoe ho avy any. Fa izaho tsy afaka manoatra fa rehefa confinement dia ato antrano aho zay. Strict amin'izay discipline izay aho.

🤣Tsy ny vola no mifehy ny olona fa ny olona no mifehy ny vola. Aoka tsy ny vola no hibaiko antsika fa isika no mibaiko, hampiasa ny vola. Amiko, ny fiarovana ny aina no voalohany.

🤣Lé resaka vaksiny ... E e ee Aza ampidirina aty zany. Zah tsy te-hiresaka an'zany mihiiitsy. Tokony tsy avela hanao an'zany handrakandrana izany, eto lasa ny handrakandrana no betsaka. Tsika eto no hanaovan'ny olona cobaye amin'iooo ... Resaka be zany. Raha misy miteny any, dia izaho mihitsy, Marc Ravalomanana, président teo aloha, no miteny an'zany fa tsy tokony hanaovana test an'zany ny olona ... Asaaa? ... Fa raha sahy ianareo dia ataovy, fa zah aloha tsy sahy é

🤣Iza ny tsy mahalala an'i Ny Rado Rafalimanana rey olona a, na ny vavany ary, fa samy manana ny toetrany ny olona ka mba tokony jerena amin'izay angle positif nataony. Mba niezaka ihany izy ny nandeha nankany Ambatondrazaka ... Izy efa mba midehadehaka kely iny hoe izaho anie ka ambassa... dia mbola gadraina ihany izy. Lozaaa!!!

🤣Fanagadrana ny mpanohitra: Ny olona tena mahay indrindra dia ny olona mahay mi-rectifier ny tenany, mahay mi-rectifier izay erreurs nataony.
F. Mahatsiaro zany ianao fa erreurs ny nataonao?
V. Rehefa izay zany no ilainao dia erreurs zany ilay izy é.

🤣Mba mitenena ianao ry minisitry ny fahasalamana fa état d'urgence sanitaire anie izy ity fa tsy état d'urgence ana-communication é. Lé any amin'ny communication no lasa mitabataba managadra ny sasany ary, nefa .... lozaaa!!

🤣Afangaronareo ilay fitenenana hoe état d'urgence, ajanonareo eo fotsiny, kanefa hoe momba ny fahasalamana lé izy. Misy olona manana toerana ambony sahy miteny mihitsy, milaza hoe rehefa état d'urgence dia tsy misy intsony ny démocratie ... Fa ianao ve marary éé?!!! Sanitaire io fa tsy hoe état d'urgence politique na hoe misy rotaka eto, sanitaire, Noho izany, ilaina ny démocratie handresena lahatra ny olona.

🤣Ôtran'ny tsy tazatazana ny praiministra Ntsay Christian ao anatin'izay raharaha izao ... «Koh mihiboka izy koh, mihiboka koh izy. Lahy tokana anie ny aina e!».

🤣Fanagadrana mpanao gazety: Ianareo mpanao gazety no olona tena manahirana indrindra, satria indraindray ianareo namana, fa indraindray ianareo tsy namana mihitsy. Dé ny mpanao politika sahy miatrika mpanao gazety no tena mpanao politika; fa ny olona matahotra mpanao gazety no tena fadiranovana indrindra: inona indray zao no hanontanian'ity ahy avy eo? Inona ndray no hanontanian'lah anah refaveo? Satria nahoana? Satria tsy transparent izy.

🤣Amin'ity état d'urgence sanitaire ity ... ny mahavoa ny sasany dia heveriny ho izy irery no mahay lalàna. Ny sasany ary communication no asaina ataony, lasa mananaraotra be dia milaza lalàna foana ny ataony ao.

🤣Rehefa misy ny krizy ohatr'izao dia ny accord politique no ambonin'ny lalàna, ny fifampiresahana ambonin'ny lalàna.

🤣Amin'ity état d'urgence ity, olona iray, ny président an'ny république, no mahazo an'io autorisations io, fa amin'izao dia ny olona manodidina azy rehetra dia miteny daholo zay te-hiteny: adoboy any ... adoboy anyy ... Ô rey olona ééé!!! Raha mba ianao moh no alefa midoboka ary dé aôna???

🤣Hafatra apetraka: Diniho ihany ny ataonareo, fa ity fiainana ity –tsy hanome lesona aho akory– miodina izy 'ty. Ianao zao manindry, ianao zao manadoboka, ianao zao no mampiasa zay fahefana eo ampelatananao, fa mbola ho avy ny fotoana, ho avy indray ireny olona ireny.

🤣Tsy tia tanindrana - Raciste? Diso be izany. Amiko, rehefa olona dia olona (...) satria nomen'Andriamanitra fanahy maha-olona azy izy sy maha-izy azy. Ianareo no mahita, nahavita ny lalana nankany Diégo, dé nankany Tuléar, dé nankany Sud-Est iny aho. Izaho anie tsy mila tiavina é, ary tsy ilaina mitia azy, fa rehefa vitako ny écoles, mianatra ny 92% mpianatra zanaka malagasy, omeko zay ilainy izy hianarany, efa vitako ny nanome kubota tany amin'ny faritra Ambatondrazaka iny ... izay no mahafaly ahy. Tsy midongy mihitsy hoe tiàvo aho,

🤣Ary mba efa nifampiresaka na dia an-téléphone fotsiny aza ve ianao sy ny filoha teo aloha Ratsiraka @ izao valan'aretina izao? - - - Mbola tsisy, satria samy mbola mihiboka ao antrano daholo aloha izao. Mbola tsisy!

🤣Fanontaniana ENY sa TSIA: Aza antenaina ve ny hiverenan'ny Filoha Ravalomanana eo amin'ny fitondrana?
V. Science ny politique, arakaraky ny contexte, ka tsy hamaly aho na ENY na TSIA, Satria raha hamaly aho hoe ENY, dia potika sy miova daholo ny zavatra rehetra noresahintsika teto satria nen'lé rangahy 'ty zany dia tena toerana no tadiaviny. Raha hilaza aho hoe TSIA, dia ireo mpanaradia ahy no hilaza rehefa avy eo fa i président 'ty milaza fa antoko mpanohitra nefa jereo 'ty ataony!
F. Mbola tsy maka retraite izany?
V. Non, mbola ao tsara aho kah!!!

Source : Real TV

 


La langue française à Madagascar

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 01:34

DonAkafon’ny TAnora : Débat d’idées sur le thème:

Question d’actualité: La langue française à Madagascar - Ouverture sur le monde ou outil d’exclusion socio-politique et culturel ?

Mercredi 23 novembre 2016 à 16h00, au Chef Avenue Lounge du Café de la Gare, Soarano

Francophonisation à Madagascar, les chiffres: (selon L’Académie Malgache et le Communiqué du Sefafi de nov. 2016): 6% de la population maîtrisent le français; 15,87% pratiquent le français occasionnellement; plus de 90% des Malgaches ne parlent que le malgache; 0,57% de la population parlent uniquement le français.

Francophonisation et exclusion à Madagascar

La langue malgache en tant que langue nationale cherche encore sa place dans le système d’éducation, d'enseignement et de l’administration à Madagascar. L’utilisation du malgache dans ces domaines se heurte au manque de volonté et de détermination politique des dirigeants successifs à Madagascar. De son côté, le français, en tant que langue officielle, a pris une place prépondérante au sein de l’administration et dans le système d’enseignement malgache. Il est le principal outil de communication pour une très petite minorité de Malgaches car la population malgache est majoritairement malgachophone, seule une très minime partie maîtrise le français.

Les Malgaches francophones constituent en partie la couche des privilégiés à Madagascar. Ils détiennent les rênes du pouvoir politique et économique à Madagascar. Les élites politiques malgaches sont des francophones convaincus et pratiquants qui sont les concepteurs des politiques et stratégies de la francophonisation mise en œuvre à Madagascar. Ce sont les Malgaches francophones qui ont choisi de donner à la langue malgache son actuel rôle secondaire. Ils profitent largement de l’actuel système francophone installé à Madagascar.

La francophonie des Malgaches francophones ne se limite pas à la pratique de la langue française. C’est toute une culture, un système de valeurs et de comportements, c’est des stéréotypes, c’est une « position de classe », des visions. C’est une affaire d’intérêts économiques, culturels et politiques.

« Après 56 ans d’indépendance et de république, la réalité socioéconomique, politico-institutionnelle et culturelle à Madagascar est largement définie par les Malgaches francophones. Ces derniers contribuent à former des structures persistantes mais très résistantes aux luttes contre les inégalités sociales et à la pauvreté dans le pays », affirme Jean-Aimé Raveloson, Représentant Adjoint de la FES.

Le principal objectif de ce débat est notamment…

- de favoriser une prise de conscience des Malgaches francophones face aux inégalités sociales, à l’exclusion et la pauvreté extrême des Malgaches non francophonisés qui ne veulent peut-être pas se francophoniser,
- de faciliter les réflexions et les échanges sur les concepts, les stratégies et les pratiques de la francophonisation à Madagascar afin que les jeunes et le citoyen en général puissent en profiter et non plus la subir.
Se poser des questions

A travers ce Débat d’idées, selon Ludonie Velotrasina, YLTPienne et panéliste à ce Débat, «les YLTPiens incitent les citoyens, surtout les jeunes francophones, à se poser des questions sur le concept et les pratiques de la francophonisation à Madagascar»:

«Qu’est-ce la francophonisation et la Francophonie pour les Malgaches francophones?», «Qu’est-ce la francophonisation et la Francophonie pour les Malgaches non francophones », «Est-ce que le pays est prêt pour une francophonisation générale des Malgaches?» ou «Est-ce que la francophonie restera un outil exclusif de privilégiés?», «Les Malgaches francophones veulent et peuvent-ils contribuer positivement et efficacement à la lutte contre les inégalités sociales à Madagascar?», «Est-ce que les Malgaches francophones veulent et peuvent utiliser «leur» francophonie comme outil d’émancipation de tous les Malgaches?», «La francophonisation peut-elle être utilisée comme outil d’intégration pour la construction nationale à Madagascar ?», «L’ouverture sur le monde doit-il se faire dans l’exclusion des Malgaches non francophonisés», etc.

Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) Bureau Madagascar

1er Etage Immeuble Prestige, Lot II M91 TER D Antsahabe Antsakaviro


Ny fiaraha-monina Malagasy sy ny rafi-pitsarana nankatoaviny

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 15:11

Mety tsy hahaliana anao ity fa mba vakio vetivety dia diniho fa mampieritreritra.

Tena mba iriko mihintsy ianao handinika ny tantaram-pirenentsika ary hamantatra ireo karazana rafitra ara-piarahamonina Malagasy isan-karazany manerana ireo faritra maro eto amintsika.

Tena mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny rehefa dinihina ary tsy vao haingana io fa nanomboka nidiran'ny vazaha mpanjanaka teto amintsika tany amin'ny taona 1896 tany ho any.

Talohan'io daty io anefa dia efa tafiditra teo ny vazaha Anglisy sy Frantsay ary niaran-niasa tamin'ireo Mpanjaka tamin'ireo faritra afovoany dia ny fanjakana Merina, sns. Hatrany dia efa niainga ny hoe hampianarina taratasy ny Mpanjaka sy ireo tandapa tamin'izany. Nanomboka nipetraka ny resaka taratasy izay ny Frantsay no nandetika an'io tao amin'ny zanaka atidohan'ny Malagasy ary izao iainantsika hatramin'izao. Nanomboka tany dia nipetraka ny fanambakana ny maro an'isa tamin'ny hoe: "mila taratasy ny zavadrehetra". Ny olana anefa dia maro ny Malagasy tsy mbola nahay taratasy hatramin'izany eny fa hatramin'izao aza. Iarahantsika miaina izany.

Talohan'ny taona 1895 dia tsy nilaintsika izany resaka taratasy izany kanefa nilamina ny fiarahamonina, tsy nisy ady lova, sns.

Aleo hazava fa tsy miteny aho hoe tsy ilaina ny tsy mianatra eto fa ny fomba hahafahanao mandinika ny tena tetika napetraky ny mpanjanaka teto amintsika.

Ankehitriny mila taratasy daholo ny zavadrehetra, kanefa maro ny mpiray tanindrazana niaina ireo lova nifandovana tamin'ireo razambentsika tany aloha dia ny atao hoe: "Teny nomena"! Taloha izay tenenina dia tanterahina ary ifampierana eo anivon'ny mpiray tanana ka lasa dina sy fitsipika toavin'ny daholobe. Tsy nisy olana fa dia milamina, na io resaka lova na resaka fananana.

Eto Madagasikara dia mbola maro ireo karazam-piarahamonina na foko tsy mila izany atao hoe: "rafi-pitsarana, na fifanarahana an-taratasy" fa izay voalaza sy nifanarahana ka nifanatrehan'ireo olobe na sojabe na lonaka na tangalamena na ampanjaka na filohan-taribahy, sns dia toavin'ny daholobe ary lasa fitsipika manankery tsy azo lavina.

Ohatra raha misy ady tany tsy ilaina fitsarana fa ireo ray amandreny voalaza ireo no misahala azy hoe iza no manana ny marina anatin'ity resaka ity.

Na dia tsy voarakitra an-taratasy aza io dia manankery hatrany ny lovan-tsofina hoe iza marina no tompon'ity tany ity na zavatra hafa. Misy foko maro eto amintsika tsy mila tribonaly na fitsaram-bazaha izany rehefa misy olana fa ry zareo ihany no mandinika sy mandamina azy, milamina ny tantara.

Maro manko ny olana mahakasika ny fananan-tany eto amintsika ka sao dia mila dinihina lalina ihany ireo fomba hahafahana mampanakery ka hampifandraisana amin'ny lalàna velona eto amintsika na rafitra hampidirana ireo sokajina ray amandreny na sojabe na lonaka na ampanjaka na filohan-taribahy, sns mba hahafahantsika mandamina fiarahamonina.

Izahay manokana izao dia anisany mbola manome hasina ny atao hoe: fati_drà na vaki_rà. Io moa dia fomba hanorenam-pihavanana vaovao amin'ireo olona izay tsy misy rohim-pihavanana amin'ny tena kanefa afaka mifandray tahaka ny mpihavana kibo iray. Mifandray ary mifanao adidy na ankasoavana na ankaratsiana.

Ny reniko manokana izao ohatra dia natsangan'olona tsy nisy fifandraisana ara-pihavanana taminy satria ny Dadabenay fati-dràn'ilay olona nanangana azy. Niaraka nandova amin'ny zanak'ilay ray amandreny nanangana an'i Mamako ny Mamako. Tsy misy olana fa vao maty ilay rangahy dia nifampizarandreo ny fananan'io ray amandreny io.

Tena milamina tsy misy taratasy fa dia manaiky daholo ny fiarahamonina hoe manana anjara izy ary azy io.
Antony dia satria voaporofon'ny fiarahamonina fa tena nifanorom-pihavananana ry zareo fony mbola teo ny ray amandrenibe.
Ny antony mahatonga ahy hiteny manko dia ny olana mitranga ankehitriny indrindra ny resaka fananan-tany, fanambadiana, sns izay miakatra tribonaly ary anambakana ny tsy mahay taratasy sy ny tsy manam-bola.

Ny Frantsay no tena nandetika io resaka taratasy io tamin'ny betron-dohan'ireo razantsika mba handroahana antsika amin'ny tanintsika.

Mba iriko hiverina ny fiarahamonina tena Malagasy tsy misy disadisa, tsy misy raorao, ary raha io no mbola niainantsika dia mazava fa tsy nisy kolikoly, asan-dahalo, jiolahy, sns!

Am-bava homana!

Barri Ralaivaoavy

 


Accident : Ny fototry ny olana dia 3

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 10:44

1) Zaza bado, fianarana tsizarizary, lasa jiolahimboto, mila miasa, chauffeur no mora atao indrindra ankoatry ny mangalatra sy mivarotena. Tsy manana moral ny ankamaroan'ireo, tsy mahalala vitesse, tsy mahay physique/dynamique, tsy mahay miévaluer distance/courbe, tsy manana présence d'esprit hoe mety hisy ifanena amiko na koa mety ampididoza ny filalaovako fiara be!
2)Controle qualité ana piece/controle visite technique gaboraraka. ohatra iray ity: misy durite de frein vita sinoa raha ampitahaina amn d'origine dia 3fois malemy. ka misy mipotsaka tampoka mahatonga ireny tapaka frein lava ireny ankoatry ny tsy fisian'ny frein de secours na frein a main izay tsy firaharahian'ny tompona fiara (négligeance tsotra izao)
3) Fanjakana/polisy/gendarme sy ny kolikoly: diso ny filàza hoe misy ny mpanome dia misy ny mpandray. olon'ny lalàna ianao ka mahalala ny tsy maha aradalàna izany noho ny mpanome izay tsy nianatra momba izany

Fehiny, isika mianakavy ihany no olana eto, ny fiaraha-monina malagasy io simba io, ary symptome ihany reny tranga isan-karazany ireny.
Fa iza moa reo jiolahimboto reo raha tsy mpiray vodirindrina amntsika ihany izay tsy nampintsika raha nitaraina ny raiamandreny hoe ts manambola ampianarana ny zanany
Fa iza moa reo polisy reo raha tsy havantsika ihany ireharehantsika amin'ny hafa rehefa manana ady amin'olona isika
Fa iza moa ny mpitondra antsika raha tsy novolavolain'ity fiarahamonina misy antsika ity ihany!
Fa iza moa isika? sao isika koa no maro mpanao zavatra tsy mendrika eto amin'ity Madagasikara ity?

Farany, Miaraka ory amin'ireo zay mana-manjo ary ny hafatro dia hoe hendre tsara isika Malagasy mba hahasoa antsika ihany izany ary indrindra tsy hay izay fotoana ialana eto amin'ity tany ity ka manaova ny marina hatrany.

 

Haja Andriam Rakotoarisoa tao amin'ny Facebook

 


POLICE GASY ARON’NY VOZONA HONO ???? ASA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 12:02

5 MINITRA TEO NO ELANELAN’NY NIALAKO SY NIVERENAKO TEO @ FIARAKO NY ZOMA 25 MARS 2016 TEO MANODIDINA NY @ 15H30 MN TETY (aleo tsy tenenina ny toerana), GAGA AHO FA MIVOHA NY VARAVARAN’NY FIARA ALOHA AVY AO @ ANKAVIA.


NIHAZAKAZAKA AHO, KANJO NONY NAHITA AHY MIHAZO NY FIARA LE OLONA TAO DIA NITSAOKA EFA NIARAKA T@ AUTO RADIO SY NY (BLOUSON-KO), NIANTSO ANTSO AHO HOE MPANGALATRA INY DIA NATSIPINY AMPOVOAN’NY ARABE NY ENTAKO SADY NATAONY HOE “IO NY ENTANAO”? TSY NAHOAKO IO ALOHA FA NOENJEHIKO IHANY LE IO KA TRATRA….
NENTINA TANY @ COMMISSARIAT DE POLICE IZAY AKAIKY TEO ILAY MPANGALATRA.


izaho: Namaky ny fiarako ito Chef , ito no tratra teny aminy (KARAZANA antsy sady Fanapotsihana varavarana fiara )
Ilay police (1): hay, madehana ianao mividy taratasy fotsy 2 dia ataovy ny fitoriana.
Izaho: Ok chef, reto ary le taratasy fitoriana sy taratasy fotsy 1.


Kelilkely……

Polisy (2) hafa ndray
Police (2) : Enao le nitondra an’ilay mpangalatra io ???
Izaho : Eny chef
Police (2) : Mandehana mividy taratasy fotsy 16 isa sy Paier carbonne 2 isa dia miakatra any ambony enao atao “ankety”.
Izaho: Ok chef, … reto chef le taratasy sy papier carbonne.
Police (2) : Eny ary …. Mipetraha ianao ….. ( manotanitany be eo izy)…. …. Vita ito zany dia @ alarobia @ 8h00 enao miverina fa “differe-na” izy @ zay.
Izaho: Eny ary misaotra chef.
Police (2): Eny ary fa dia mametraha kely aloha mba …….
Izaho : Hay….. iny ary e … (25 0000fmg)


Tonga ny alarobia omaly (30 mars 2016)


Police (2) : hay tonga enao? Itsy no manao ny “ differement” ka manomana 75 000 fmg eo mba ataondrizalahy frais sa enao no itondra azy taxi?
Izaho: aleoko kosa manome 75000 fmg kan…. (Dia nomeko ny 75 000 fmg)
Police (2): Eny ary fa eny @ fitsarana isika mihaona avy eo ..
Izaho: eny ary…. Veloma chef a, avy eo zany.


Teo @ accueil an’ilay commissariat indray.


Izaho : Izay zany chef fa vita iny zany fa any @ fitsarana indray hono.
Police (3) : Hay tsara zany fa angah enao tsy mba hametraka kely???
Izaho: Efa nametraka ao ambony aho chef hoe frais hono an.

Police (3) : Samy hafa ny any sy ny aty koa; hitanao fa misy riska be anie izaho no miandry azy ato @ cellule ato e…..
Izaho: Iny ary e ( sady lagy aho no nanome an ilay 25 000 fmg);


Lasa aho ao anaty fahasorenana tanteraka hoe zany ny eto Dago e, zany ny rariny ; sady efa ataonao ny asan’police misambotra mpangalatra no mbola ianao koa no miantoka ny taratasy (18 isa+papier carbonne) , ianao koa no miantoka ny sakafon’ilay mpangalatra tartar ao @ cellule, ianao koa no miantoka ny frais mankeny @ fitsarana ary tsy maintsy omenao vola koa ilay police eo @ accuelle.


Simb ny fiara + lany 125 000 fmg satria tratra le nangalatra + raha eny @ fitsarana re inona indray no tsy maintsy naloa eee? Sorena loatra aho dia tsy teny tsony.
ARON’NY VOZONA HONO ???? ASA

Nivoaka Facebook


1 2 3 4 5 6  Manaraka»

Powered by LifeType