THT - Tena Ho Tsaroanao

03 Aog, 2016

Ny fiaraha-monina Malagasy sy ny rafi-pitsarana nankatoaviny

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 15:11

Mety tsy hahaliana anao ity fa mba vakio vetivety dia diniho fa mampieritreritra.

Tena mba iriko mihintsy ianao handinika ny tantaram-pirenentsika ary hamantatra ireo karazana rafitra ara-piarahamonina Malagasy isan-karazany manerana ireo faritra maro eto amintsika.

Tena mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny rehefa dinihina ary tsy vao haingana io fa nanomboka nidiran'ny vazaha mpanjanaka teto amintsika tany amin'ny taona 1896 tany ho any.

Talohan'io daty io anefa dia efa tafiditra teo ny vazaha Anglisy sy Frantsay ary niaran-niasa tamin'ireo Mpanjaka tamin'ireo faritra afovoany dia ny fanjakana Merina, sns. Hatrany dia efa niainga ny hoe hampianarina taratasy ny Mpanjaka sy ireo tandapa tamin'izany. Nanomboka nipetraka ny resaka taratasy izay ny Frantsay no nandetika an'io tao amin'ny zanaka atidohan'ny Malagasy ary izao iainantsika hatramin'izao. Nanomboka tany dia nipetraka ny fanambakana ny maro an'isa tamin'ny hoe: "mila taratasy ny zavadrehetra". Ny olana anefa dia maro ny Malagasy tsy mbola nahay taratasy hatramin'izany eny fa hatramin'izao aza. Iarahantsika miaina izany.

Talohan'ny taona 1895 dia tsy nilaintsika izany resaka taratasy izany kanefa nilamina ny fiarahamonina, tsy nisy ady lova, sns.

Aleo hazava fa tsy miteny aho hoe tsy ilaina ny tsy mianatra eto fa ny fomba hahafahanao mandinika ny tena tetika napetraky ny mpanjanaka teto amintsika.

Ankehitriny mila taratasy daholo ny zavadrehetra, kanefa maro ny mpiray tanindrazana niaina ireo lova nifandovana tamin'ireo razambentsika tany aloha dia ny atao hoe: "Teny nomena"! Taloha izay tenenina dia tanterahina ary ifampierana eo anivon'ny mpiray tanana ka lasa dina sy fitsipika toavin'ny daholobe. Tsy nisy olana fa dia milamina, na io resaka lova na resaka fananana.

Eto Madagasikara dia mbola maro ireo karazam-piarahamonina na foko tsy mila izany atao hoe: "rafi-pitsarana, na fifanarahana an-taratasy" fa izay voalaza sy nifanarahana ka nifanatrehan'ireo olobe na sojabe na lonaka na tangalamena na ampanjaka na filohan-taribahy, sns dia toavin'ny daholobe ary lasa fitsipika manankery tsy azo lavina.

Ohatra raha misy ady tany tsy ilaina fitsarana fa ireo ray amandreny voalaza ireo no misahala azy hoe iza no manana ny marina anatin'ity resaka ity.

Na dia tsy voarakitra an-taratasy aza io dia manankery hatrany ny lovan-tsofina hoe iza marina no tompon'ity tany ity na zavatra hafa. Misy foko maro eto amintsika tsy mila tribonaly na fitsaram-bazaha izany rehefa misy olana fa ry zareo ihany no mandinika sy mandamina azy, milamina ny tantara.

Maro manko ny olana mahakasika ny fananan-tany eto amintsika ka sao dia mila dinihina lalina ihany ireo fomba hahafahana mampanakery ka hampifandraisana amin'ny lalàna velona eto amintsika na rafitra hampidirana ireo sokajina ray amandreny na sojabe na lonaka na ampanjaka na filohan-taribahy, sns mba hahafahantsika mandamina fiarahamonina.

Izahay manokana izao dia anisany mbola manome hasina ny atao hoe: fati_drà na vaki_rà. Io moa dia fomba hanorenam-pihavanana vaovao amin'ireo olona izay tsy misy rohim-pihavanana amin'ny tena kanefa afaka mifandray tahaka ny mpihavana kibo iray. Mifandray ary mifanao adidy na ankasoavana na ankaratsiana.

Ny reniko manokana izao ohatra dia natsangan'olona tsy nisy fifandraisana ara-pihavanana taminy satria ny Dadabenay fati-dràn'ilay olona nanangana azy. Niaraka nandova amin'ny zanak'ilay ray amandreny nanangana an'i Mamako ny Mamako. Tsy misy olana fa vao maty ilay rangahy dia nifampizarandreo ny fananan'io ray amandreny io.

Tena milamina tsy misy taratasy fa dia manaiky daholo ny fiarahamonina hoe manana anjara izy ary azy io.
Antony dia satria voaporofon'ny fiarahamonina fa tena nifanorom-pihavananana ry zareo fony mbola teo ny ray amandrenibe.
Ny antony mahatonga ahy hiteny manko dia ny olana mitranga ankehitriny indrindra ny resaka fananan-tany, fanambadiana, sns izay miakatra tribonaly ary anambakana ny tsy mahay taratasy sy ny tsy manam-bola.

Ny Frantsay no tena nandetika io resaka taratasy io tamin'ny betron-dohan'ireo razantsika mba handroahana antsika amin'ny tanintsika.

Mba iriko hiverina ny fiarahamonina tena Malagasy tsy misy disadisa, tsy misy raorao, ary raha io no mbola niainantsika dia mazava fa tsy nisy kolikoly, asan-dahalo, jiolahy, sns!

Am-bava homana!

Barri Ralaivaoavy

 


Hevitra


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

Powered by LifeType