THT - Tena Ho Tsaroanao

24 Des, 2015

Tora-po krismasy

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 16:40

Izaho izay mpiasa olo-tsotra, mba mahalala manome andro tsy fiasana ho an'ny mpanampiko. Omeko tapa-bolana izy mba hiala sasatra sy hanao fety anaty fifaliana. Ary mbola omeko "prime kely" ihany koa na dia tsy afa-po @ asany aza aho ho fankasitrahako ny faharetany sy ny ezaka nataony. Satria olombelona ihany koa izy, manan-jo hifety indrindra @ zao krismasy sy taom-baovao izao, mendrika ny ho faly, hiara-paly @ ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo aminy, ary ny fianakaviany.

Ianao izay orinasa goavambe io, mampidi-bola @na tapitrisa maro isan'andro manerana an'i Madagascar, tsy mba mahafoy andro krismasy sy taom-baovao ho an'ireo mpiasanao fa mbola asainao mivarotra ihany izy ireo. Tsy lazaina intsony ny fandrahonana samihafa. Ny ankamaroan'ireo lehibe "directeurs" anefa samy naka congé daholo, ny mpiasa madinika terena hiasa fa ny "directeurs" mibaiko lavitra sy milamina tsara.

 


Hevitra


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

Powered by LifeType