THT - Tena Ho Tsaroanao

NAHOANA ?

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:56

Mikaro-bola fatratra ny Fanjakana amin’izao fotoana izao, koa dia nampitomboina na ny "droit d’acsise", na ny hetra mahazatra fandoan’ny mpiasa hatramin’izay ; ireo mikarama manodidina ny 50.000 Ar isam-bolana aza dia nasaina nandoa hetra raikitra 2.000 Ar isam-bolana. Fa nahoana raha toa ka ilay hetra nolazaina fahiny hoe "karatra isan-dahy" no averina, saingy ampandoavina avokoa na lahy na vavy feno taona, ka vola farany kely no takina amin’izany. Ireo miasa kosa dia handoa foana hatrany ny hetra fandoany mahazatra. Taloha araka ny tadidy dia misava karatra ny pôlisy ; tsy ilay karapanondrom-pirenena loatra anefa no savainy fa ny taratasy fandoavana io hetra isan-dahy io. Nalaza tamin’izany fa izay tratra tsy mahaloa hetra dia nasaina nanadio ny rano miandrona eo Behoririka io, manala ny tsikafona sy izay fako tafiditra ao. Tsy nisy ny namaly ; fa dia niezaka nandoa ny anjarany avokoa ny rehetra. Fa ankoatra izany kosa anefa dia hita taratra teny rehetra teny fa niverina tamin’ny Vahoaka ny hetra naloany : nisongadina ny fahadiovan’ny tanàna sy ny hakanton’ny zaridaina rehetra, tsy niadian-kevitra ny naha-maimaimpoana ny fitsaboana teny amin’ny hôpitaly sy ny fampianarana teny amin’ny EPP, CEG ary LYCEE. Tsy nisy mihitsy izany fahatapatapahan’ny jiro na tsy fisian-drano amin’ny paompy maharitra fotoana ela izany.

Inona no tombony azo avy tamin’izany ? "Ny entan-jarai-mora zaka", hoy ny ohabolana, ary "ny bokaboka mameno ny kely andilana". Noho izany dia tsy nidangana ny hetra naloan’ny olona. Tena tan-dalàna ny olona tamin’izany, samy natahotra ny ho voasava karatra ka ho tratra fa tsy nahaloa hetra, na taiza na taiza teto amin’ny firenena, koa dia samy niezaka nanefa ny anjarany avy. Vokany : tsy nisy olona mitomoe-poana, mipetrapetraka etsy sy eroa, indrindra manodidina ny tsena. Samy niezaka nitady vola ny rehetra mba hahafahany mandoa hetra. Azo lazaina fa mety ny fiainan’ny mponina tamin’izany satria samy nanana fidiram-bola. Nilamina fehizay koa ny fiarahamonina, satria vitsy dia vitsy no sahy manao asa ratsy tahaka izay misy ankehitriny.

Ny mahalasa ny saina àry dia ny hoe : io fampiakarana ny hetra aloan’ny mpiasa io ve hamerina amin’ny laoniny ka hampiorina tanteraka amin’izay ny fandriampahalemana eto amin’ny tanàna ?

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona.


NY FAMPIANARANA ENY AMBANIVOHITRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 07:33

Na dia mitovy ihany aza ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora rehetra manerana ny Nosy, dia misy dia misy tokoa ny maha-samy hafa ireo izay monina eny ambonivohitra raha ampitahaina amin’izay monina eny ambanivohitra. Raha azo lazaina fa mba manana ihany izay rehetra ilaina hahafahana manatanteraka ny fianarany ny tambonivohitra, na dia tsy lafatra aza izany, ny tambanivohitra kosa dia fefi-pahasahiranana : ny trano fonenana, ny rano fisotro madio, ny herinaratra ho fanazavana, ny fitafiana, ny sakafo dia samy tsizarizary ; ny fitateram-bahoaka tsy misy, ny trano sekoly sady ratsy no lavitra mihitsy ny tanàna onenana, ny mpampianatra dia zara raha misy izay karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny atody, ronono ary vary akotry.

Ny vontoatim-pampianarana omena ny mpianatra ao amin’ireo faritra roa tena tsy mitovy ireo kosa anefa dia iray ihany. Mazava ho azy, araka izany, fa tsy hitovy mihitsy ny fahombiazana mety ho azo. Ireo mpianatra eny ambonivohitra dia afaka manohy ny fianarany araka izay fetra farany mety ho tratrany, satria misy ao avokoa ireo dingam-pianarana samihafa, ary dia mety ho azony avokoa izay fari-pahaizana rehetra ilainy, raha ampy fahazotoana sy fitozoana amin’ny fianarana izy. Fa ny mpianatra any ambanivohitra kosa dia voafetra ihany fianarana azony atao : hatreo amin’ny CEPE ihany amin’ny ankamaroany raha toa ka mazoto mianatra izy.

Rehefa azony anefa io mari-pahaizana io dia miverina ho tantsaha tanteraka indray izy, ka tsy hita izay mampiavaka azy amin’ny zaza mitovy aminy tsy niditra ny varavaran-tsekoly mihitsy. Tsy maintsy mandeha mantsaka, maka kitay, miloloha zezika, miasa tany, manetsa, mamboly ireo hanin-kotrana isan-karazany, mitondra ny biby fiompy eny an-tsaha, mikarakara ny akoho amam-borona… tahaka ny ankizy rehetra ihany.

Eny ! angamba mahay mamaky teny sy manoratra izy ! Eny ! angamba mahay manao kajy tsotsotra izy ! Fa manova inona eo amin’ny fampivoarany mivantana sy haingana eo amin’ny fiainany sy ny an’ankohonany andavanandro moa izany ? Ary dia izany no mahatonga ny saina hieritreritra hoe : sao dia misy karazana fampianarana hafa tandrify ny zaza sy ny ankizy eny ambanivohitra kosa àry tokony homena azy ireny manokana mihitsy ?

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


NY FILAMINANA SY NY FANAJAM-POTOANA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:51

"L’ordre et la ponctualité facilitent la vie" ? hoy ilay mpandinika vahiny iray izay. Raha adika malalaka izany dia toy izao : "ny filaminana sy ny fanajana ny fotoana dia manamora ny fiainana". Ny filaminana ambara eto dia tsy hoe ny fitsaharan’ny adilahy pôlitika ihany, fa indrindra koa ny fanajan’ny rehetra ny fandaminana sy ny fombam-piainana rehetra misy ao anatin’ny fiarahamonina, tahaka ny hoe fifanajana rehefa mifanena eny an-dalana (tsy mifanosika na manosika ny sasany), ny tsy fanariana ny fako na inona na inona karazany eny rehetra eny, tsy mivoaka manao maloto eny rehetra eny ; ary izay tompon’andraikitra amin’ny fandaminana ny fiainam-bahoaka dia hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikiny, tahaka ny fanalana ny fako ara-potoana, ny famafana ny lalam-bahoaka hadio lalandava, ny tsy fanorana ny mpitondra fiara isan-tokony.

Ny fanajana ny fotoana indray ve ? Malaza ny hoe "fotoan-gasy" ary io dia mivady tsara amin’ilay lazain’ny Menasofina hoe : "Madagasar, c’est le pays du moramora". Inona no zava-misy ? : samy manana ny orany aloha ny rehetra ; raha izany, raha tratra aoriana amin’ny fotoana iray ianao, ny oran’iza no amaritana fa tara tokoa ianao ? raha hampiasa fitateram-bahoaka ianao, aoka tsy ho taitra fa ny oranao tsy oran’ny mpamily ! raha hamonjy olo-maventy any amin’ny biraom-panjakana ianao, na hamonjy fotoam-bita any amin’ny toeram-pitsaboana tantanin’ny fanjakana, dia aza sendaotra fa tokana ihany ny ora omenan’ny mpandrindra anao sy izay olona rehetra mitovy filàna fihaonana na fitsaboana tahaka anao, samy amin’ny 9 ora maraina, ohatra !

Rehefa itarina ny ora dia tonga fe-potoana. Iza no mba mihevitra ny hamaritra ny fe-potoana hahavitany ny asa iray ka hanaja izany ? Ny fe-potoana omen’ny mpanao asa tanana dia mitatra tahaka ny siligaoma ! Ny fe-potoam-pianarana 9 volana, eny amin’ny sekoly andoavam-bola, dia tonga 10 volana, na mahery aza matetika ! Ny fe-potoana fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony dia tena raharaha satria, matetika dia ny taona manaraka no anatanterahana ny fe-potoam-pianarana tamin’ny taona lasa, ary mihoatra aza. Ohatra : ny fanatanterahana ny taom-pianarana 2013 – 2014, dia notanterahina nanomboka tamin’ny volana Mai 2014 ary tsy hifarana raha tsy any amin’ny volana Febroary na Martsa 2015 any. Manoloana izany toetrantsika hafahafa izany, ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenentsika dia toa tsy mba sahy na minia mihitsy tsy mamaritra ny fe-potoana samihafa hahafahany manatanteraka ireo tetikasa samihafa nambarany fa hataony. Dia eny ka eny ! samy tsy misy mahalala izay fiafaran’ny resaka. Tato ho ato dia mba misy ny miezaka manova ny fomba fanaon’ny tany aloha ka namaritra fe-potoana, fa indrisy ! tsy misy na inona na inona vitany nandritra ny fe-potoana izay nofaritany ihany. Dia izany tokoa ve no atao hoe Gasy ? Fa ny zava-misy misongadina aloha izao dia "sarotra fa tsy mba mora ny fiainantsika Malagasy". Tena sarotra ho antsika ihany koa ny mivoatra.

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


NY FITAZONANA NY TENY NOMENA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:47

Hatraiza ny fitandrovan’ny tsirairay ny voninahira maha-olona amin’ny fitazonany ny teny nomeny sy ny fanatanterahany ny zavatra nolazaina fa hotanterahany. Fa ny teny dia aina, ny teny dia sady afaka mamono no afaka mamelona ihany koa, araka ny hoe "ny teny soa sakafo fa ny vava ratsy adidy" ary ny hoe "ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony".

Fa izay mitsoaka ny teny nomeny dia azo lazaina fa mpamitaka, mpamahan-dalitra, mpandainga amin’izay mpiara-belona nanomezany toky. Toetra tena sady mampalahelo izany no mahamenatra, fa "ny handrina no tsy naniry volo, dia noho ny henatra", ary "aleo mifanena amin’ny mpamosavy, toy izay mifanena amin’ny mpandainga", hoy ihany ireo Ntaolo hendry.

Ny tsy maintsy ho vokatry ny tsy fitazonana ny teny nomena dia faharavan’ny fifampitokisana, izay mety ho tonga hatrany amin’ny fikorontanan’ny fiarahamonina sy ny faharavan’ny fihavanana. Ny mpifankatia na mpivady tsy mitana ny teny nifanomezany dia tsy maintsy ho rava fifankatiavana na fanambadiana. Ary izay rava fanambadiana dia rava harena, hoy ihany ny Taloha ela. Fatiantoka ho an’ny rehetra araka izany ny tsy fahaiza-manaja sy manatanteraka ny teny nomena.

Mila omena hasina àry ny teny. Izay miteny dia tokony "hamadibadika impito ny lelany vao miteny". Tsy maintsy tandremana koa ny teny atao mba hahafahan’ny mpiara-belona mifanaja eo amin’ny serasera izay ifanaovany. Marina fa tsy tonga lafatra ny olombelona, fa mpitranga ny fahadisoana eo am-pitenenana. Ary dia izany indrindra no mahatonga ny fialan-tsiny raha hiteny. Efa nahataratra ny fikorontanana mety haterak’ireo fahadisoana tsy nahy raha miteny io ny Ntaolo, ka dia efa nananatra ny mpihaino mba tsy hisendaotra na ho tezi-dresaka, raha nilaza hoe : "ny teny diso tsy mba kabary", fa "ny teny toy ny hena, raha roritina dia tonga hozatra". Kanefa izany dia tsy manome rariny velively izay miteny hanao an-tandrevaka amin’izay ambarany sy lazainy, mba tsy ho fampandriana adrisa na ho fampanantenana poakaty, fa "ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra", hoy ihany izy.

Tsy tsara koa anefa ho an’ny mpihaino na izay iantefan’ny teny ny mandray an-tendrony, fa ilaina ny mamakafaka sy mitsakotsako izay voambara amin’ny tena, ilaina ny mandinika tsara, fa "ny teny toy ny kitoza, ka izay mandinika no mahare ny hafiny". Mba hahafahan’izay mihaino mankafy ny vontoatin’ny teny àry, dia tokony ho marina, mitombina, azo tanterahina ny teny atao, mba ho afaka manome aina sy mamelom-panantena eo amin’ny mpihaino. Fa raha izany no voatandrin’izay rehetra miteny dia hirindra ho azy ny fiarahamonina sy ny fiaraha-miaina ary ho mafy orina ny fihavanana sy ny firaisankina.

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


NY MBOLA MANANA NY HASINY VE FAMPIANARANA ETO MADAGASIKARA ?

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:39

Ny fitondrana roa ngeza tamin’ny Repoblika fahatelo dia namela zava-mangidy tamin’ity fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara ity. Ny iray dia nampihena ho taona 5 ny faharetan’ny taom-pianarana ao amin’ny Fanabeazana Fototra raha 6 taona izany teo aloha, nanala ny fianarana momba fahaiza-miaina na "éducation civique" ka nanolo izany tamin’ny fitaizana pôlitika amin’ny firehana sôsialista efa hatramin'ny andron'ny Repoblika faha-II , ary nampiditra ny antsoina hoe "mpampianatra FRAM" na koa antsoina hoe "mpampianatra daba", izay amin’ny ankapobeny tsy mandray vola mivantana, fa omen’ny ray aman-dreny vary akotry ho takalon’ny karamany isam-bolana. Dia mazava fa voatery mamarotra izany izy mba ho vola hoenti-miaina andavanandro. Ny faharoa kosa dia nampitombo ny faharetan’ny taom-pianarana ho 7 taona ary namorona koa ny antsoina hoe "bénévolat" : ireo te hampianatra amin’ny "lycée" dia voatery miasa maimaimpoana tanteraka mandritra ny 2 taona vao mety hahazo asa raikitra eo amin’ny toerana anaovany io "bénévolat" io raha hahazo.

Ny ankehitriny indray dia nanome toky fa hatao maimaimpoana ny fidirana mianatra amin’ny EPP rehetra ary horaisina ho mpiasam-panjakana avokoa ny "mpampianatra daba". Nolazainy koa fa aiditra mianatra avokoa ireo tsy mianatra ary dia nanao fihetsiketsehana momba izany izy tamin’ny fiantombohan’ity fotoam-pialantsasatra efa hifarana ity. Izay tena niafaran’io tetikasa io aloha dia tsy misy mahalala loatra, fa ny zava-misy ankehitriny dia mandoa 30.000 Ar isan-jaza ny ray aman-dreny mampidi-janaka mianatra, koa ahoana no hahafahany mampihena ny tahan’ny zaza tsy miditra an-tsekoly raha izany ? Nanteriny koa fa 10.000 ihany amin’ireo 75.000 no horaisina ho mpiasam-panjakana raikitra. Nokianiny koa anefa hoe nahoana, hono, no mpampianatra tsy manana afa-tsy CEPE sy BEPC no mpampianatra FRAM mampianatra ny zaza malagasy ? Koa nahoana àry ireo raha omeny fiofanana ? Nahaona ireo mpampianatra tena niofana ho mpampianatra manana CAPEN no tsy raisiny ? Ary farany, ny tena mahavariana dia ity : alefan’ny ao amin’ny DREN sy ny CISCO mifindra toerana ny mpampianatra FRAM sasany. Fa hatraiza no fahefana ananany anaovany izany raha toa izy ka tsy mandoa akory ny karaman’ireo, satria ireo dia tsy mpiasam-panjakana ? Dia inona azo amaritana izany fihetsika izany ? Izany ve no atao hoe fanomezan-kasina indray ny fampianarana izay efa tena mitontongana eto Madagasikara ?

Mitomania dia atelomy ny ranomasonao ry Malagasy mahantra !

 

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


«Mialoha   1 2 3 4 5

Powered by LifeType