THT - Tena Ho Tsaroanao

ANALAKELY SY NY FANDRAOFANA NY ENTAN’NY MPIVAROTRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 22:08

Nisy foana ny olana mikasika ny mpivarotra teo amin’io Analakely io. Nisy foana koa ny tompon’andraikitra nanara-maso ny fizotran’ny tsena teo. Ny Bemidina no tena anisan’ny nalaza taloha : mpisava taratasy nividianana entana ary manala ny mpivarotra amoron-dalana no tena asany. Tsy nisy loatra ny fimenomenomana tamin’izany fa ny taratasy nividianana entana dia voasava ara-dalàna, ary ny mpivarotra amoron-dalana moa dia nanao toy io fanaony ankehitriny io : mandositra miaraka amin’ny entany raha vao tonga ny Bemidina. Misy ny tratra ka dia voaraoka ny entany ary any amin’ny paositry ny pôlisin’ny tsena izy no maka izany rehefa avy manefa sazy any.

Ankehitriny : tsy manaiky ny fisavana ny taratasin’entana ny mpivarotra, satria efa tsy nisy hatrany am-potony izany, ka inona moa no hatrangany eo ? Sampan-draharaha hafa no manatanteraka izany fisavana izany. Koa nahoana raha io fanaovana taratasin’entana no atao izay haha-ara-dalàna azy, satria misy hetra tokony haloan’ny mpivarotra isan-tokony amin’ny Fanjakana voafaritr’ireny taratasin’entana ireny ! Fa dia ny mpiasa izao no mangana amin’ny fidangan’ny hetra !

Fa momba ny tsena dia tsy fantatra intsony izay anaran’ireo mpandroaka mpivarotra ireo, fa efa nisy hatramin’ny fitondrana roa natanjaka tamin’ny Repoblika fahefatra izany ; re tamin’izany ny anarana hoe "gros bras". Fa inona no iombonany ? Misy ireo mitsikombakomba amin’ny mpivarotra amoron-dalana, mandray vola na entana avy aminy dia afaka mijanona mivarotra eo ihany ; fa misy ireo voaraoka entana ihany koa, saingy tsy hita hoe nankaiza ireo entana voaraoka. Ny mpandraoka moa dia tena misafidy izay entana tiany, ka ireny dia efa ataony ao anaty sakaosy kely eny aminy eny. Mahita faisana amin’izany, ohatra, ny finday sy ny entana somary lafo vidy sasantsasany… Mandeha ho azy izany rehetra izany, tsy misy arakaraka !

Dia lasa ny saina manontany manao hoe : fa dia firenena ahoana loatra re isika ity e !

 

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona.


AHOANA NO HATAO ? (Mianatra dia ho aiza?)

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 23:12

Voalazan’ny Fandaharana Fivoy RNM io maraina io fa tsy mandray vola afa-tsy 400 Ar ka hatramin’ ny 600 Ar isanandro ny ankamaroan’olona eto Madagasikara rehefa atoa ny kajy. Izany hoe manodidina ny 12.000 na 60.000 fmg ka hatramin’ny 18.000 Ar na 90.000 fmg isam-bolana. Ary dia lazainy fa tena mahantra lalina ireny olona ireny. Iza anefa ireo ? : ny mpamboly madinika, ny mpanao asa tanana madinika, ny mpanao asa boty, na ireo mpanao asa tselika tena madinika etsy sy eroa, afa-tsy ireo izay manana na tsy mahita asa atao mihitsy ka zara raha mahita vola horaisina.

Heverin’ny maro fa ny fampianarana no vaha olana hahafahana manala ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana. 12 taona anefa no ilaina vao vita ny fianarana fototra rehetra. Izao anefa, ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana no ilaina horesena ity fahantrana ity. Fa ankoatra izay, ny vontoatin’io fianarana atao izao io ve tena afaka miantoka fa hanana asa izay mahavita azy ? Ny mivaingana mantsy aloha dia fahalalana no tena omena ao fa tsy misy fanomezana fahaiza-manao zavatra mihitsy.
Ary ireo lazaina mivantana fa sahirana amin’izao fotoana izao koa anefa aloha dia ny tanora, ny olon-dehibe fa tsy hoe ny zaza na ny ankizy izay velomin’ireny olon-dehibe ireny. Koa haverina any an-tsekoly indray ve izany ireny olona ireny ?

Tena ilaina ny mianatra, saingy ny fanontaniana lehibe ilàna valiny hentitra sy maika dia ny hoe : mianatra dia mankaiza ? Mianatra mba hahay manao inona ? Mianatra mba hahavita inona ? Fa raha fianarana tsy ho afaka hamaha ny olan’ny fahantran’ny maro anisa ao anatin’ny fotoana haingana araka izay azo atao, dia fandaniana andro fotsiny ihany. Raha fianarana tsy ho afaka hitondra ala sahirana ho an’ireo lazaina fa tena mahantra eto amin’ny firenena, dia tena azo lazaina mihitsy fa fahavalom-pirenena !

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


RESAKA FAKO

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 08:59

Voalazan’ny vaovao fa 660 taonina isanandro ny fakon’Antananarivo Renivohitra. Raha tsy mahazaka afa-tsy 5 taonina ny fiara be iray, dia mila fiara be 132 isa izany isika isanandro hanala izany fako izany amin’ny toerany. Dia mba solika tahaka ny ahoana re izany no ilain’ireo fiara be ireo e !

Rehefa bataina ireo fako ireo dia misy toerana hanariana azy, sa hitehirizana azy. Raha atao ny kajy dia milanja 18.480 taonina ny fakontsika mandritra ny iray volana, ka toerana tahaka ny ahoana no ho omby an’izany ? Ary raha mandritra ny taona iray izany dia hahatratra 221.760 taonina be izao ! Iza no fokontany, na kaominina mety handray izany ?


Mazava fa tsy maintsy mitady hevitra isika hanodinana ireny fako rehetra ireny. Ny mahagaga anefa dia tsy mieritreritra ny momba izany mihitsy ny Kaominina aloha hatreto, fa ny feo re matetika rehefa mitangorona be ka mandefa fofona maimbo amin’ny manodidina ny fako, dia ny hoe : "tsy ampy ny fiara ampiasainay", "tsy ampy ny solika ampiasainay". Fa raha atao raharaham-pirenena ny fako fa tsy raharahan’ny Kaominina irery dia azo atao ny mamorona zezika, taratasy, "pavé en plastique", fitaratra sy tavoahangy, tao vy isan-karazany, herinaratra sy etona fandrehitra, dia hiforona ho azy koa ny karazana asa maro be amin’ny fanodinana ireny fako ireny. Dia ho voasoroka ny fahasorenan’ny kaominina ambanivohitra hanarian’ny Renivohitra ny fakony !

Ary raha hay ny mampitsinjara dieny vao miainga ireny fako ireny, dia ho mora ny fitaterana raha toa ka izay orinasa vonona hanodina ny karazam-pako iray no miandraikitra ny fakana izany eny amin’ny toerana anatobiana azy. Anjaran’ny Kaominina tompon’ny fako kosa no miantoka ny tsena handefasana ny vokatra vita : mividy ny ampaham-bokatra ilainy, manao serasera matevina sy amim-pahakingana ary fahaiza-manao mikasika ireo vokatra sisa rehetra mba hividianan'ny hafa azy.

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


NY FANANANA TOE-TSAINA MIRONA AMIN’NY FAMORONANA SY NY FAMORONAN-JAVATRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 22:02

Ny filàna miforona ao amin’ny fiarahamonina izay mitondra mankamin’ny fahasahiana manonofinofy no mety iavian’ny toe-tsaina mirona amin’ny famoronana mitondra mankamin’ny famoronan-javatra. Mety ho teraka avy ao anatiny ihany ireny filàna ireny, fa mety koa ho vokatry ny fiseraserana amin’ny tontolo hafa avy any ivelany.

Ny filàna ateraky ny fiseraserana amin’ny tontolo ivelany dia sady tsy tsara no tsy mahasoa, satria matetiika izy ireny dia tsy mifanentana akory amin’ny zava-misy iainana eto an-toerana. Fakana tahaka be fahatany izay ataon’ny hafa, mamolavola batribatrin’olona no vokatr’izany. Fa ireny karazan’olona ireny no lasa mpanamafy ny riban’ny hafa izay manapotika tsikelikely ny an’ny tena, ary mpanabe voho ny toe-karen’ny hafa, satria tonga mpanjifa tsy misy fepetra ny voka-pamoronan’ny hafa.

Ato amin’ny tontolo anatiny anefa dia ny fahaiza-mihanona sy mionona amin’ny tontolom-piainana tsizarizary no mahazo laka na aiza na aiza. Endri-pahantrana manome vahana ny savoritaka sy ny korontana no mahazo laka na aiza na aiza aleha. Tsy misy anefa hery afaka manokatra ny masom-panahin’ny olona hahita sy hahatsapa fa tsy mendrika azy io tontolom-piainana tsizarizary iainany isanandro io. Tsy misy hery na fahefana afaka mamboly filàna vaovao mahasoa sy mampivoatra kokoa ny fiainanan’ny olona hany ka lasa volan-kakafotra ny fiainana ka ny omaly tsy miova ihany, matetika aza miharatsy kokoa.

Ny fianarana koa anefa dia afaka mamolavola io toe-tsaina mirona amin’ny famoronana io, raha toa ka fampianarana mifahatra kokoa amin’ny fiainana iainana sy ny zava-misy ("pragmatique") no atao. Ny tsirin-tsaina teraka avy amin’izany no hanentana ny saina mamoron-javatra ao amin’ny fiarahamonina.

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


IREO ANTON-JAVATRA SASANTSASANY MAHATONGA NY OLONA HAHANTRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 08:41

Misy ny hilaza fa hoe "kamo ny Malagasy" dia izay no mampahantra azy. Mety hisy lafiny mahamarina azy izany, saingy raha ny foto-pisainana lafika eo amin’ny Malagasy dia tsy ahitana taratra izany loatra. Fitaizan-tsaina sy fandrafetana fitondrantena manohitra izany aza no ambaran’ny ohabolana fampiasany andavanandro : "aza manao kamo be tenda" ; "mandehàna dieny malaina fa rehefa mazoto tsy ho afaka intsony", fa "tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto". Ary matoa izy milaza hoe : "izay mihina-maraina, tsy rava nofo", dia milaza izany fa mpifoha maraina ny Malagasy ; voamariky ny famataranorany izany : "mifoha olo-mazoto".

Tsy lavina kosa anefa fa dia mihamazo laka ihany ny hakamoana indraindray. Nahoana anefa ?

- eo aloha ny tsy fananan’ny ankamaroan’olona fahaiza-manao zavatra tena hentitra hoenti-mamaly ny filàn’ny fiarahamonina mba ho lasa loharanom-bola ho azy ; tsy misy loatra ny tena mahay miasa, fa ny mahavita kiasaasa madinidinika eny no maro

- izay mamboly indray dia tsy mahay mampivoatra izany fambolena ataony izany, satria tsy nisy nampianatra azy hanatsara izany mba hahazoany vokatra misimisy ary tsaratsara kokoa hatrany ; manginy fotsiny ny olana eo amin’ny fananan-tany : lasan’ny olona manana satria mahay mamorona taratasy ara-panjakana ny "sola-pangadiny" ; izay kely ananany aza mihena an-toerana satria mitombo ny mpandova, mitombo isa koa ireo manambola sy mahay taratasy afaka manambaka azy eo amin’ny tany izay navelan’ny razany ho azy

- ireo izay miompy koa dia tsy mahavanona izany loatra, satria sady tsy ampy ny fahaiza-manao, tsy ampy ny hoenti-manana no toa lasa manatavy fotsiny ny ho an’ny sasany mpamaky fisoko sy mpamaky vala.

- toa mahatsiaro tena ho tsy misy mpihevitra sy mpiahy ny ankamaroan’olona, ka voatery miahy tena ; ary matetika rehefa tsy tafavoaka izay fiahian-tena izay, satria ny rafi-pitondrana misy dia tsy mandrisika na tsy mamela izany loatra, koa dia lasa mirona mankamin’ny tsy ara-dalàna ireny antokon’olona ireny : manao risoriso, manao kolikoly, manambaka sy mamitapitaka eny, ary ny sasany aza dia lasa lavitra mihitsy, satria tonga manao sinto-mahery, mangalatra, mamaky trano, ary mamono olona mihitsy aza, satria mba te hanana izay ananan’ny sasany ao anatin’ny fotoana fotoana, ary tsy mba misasatra amin’izay ananany.

 

nosoratan'i Désiré Ranaivosoa tao amin'ny Facebook, nangonin'i Angona


Powered by LifeType