THT - Tena Ho Tsaroanao

10 Mey, 2015

Filazana avy amin'ny mpitsindroka fako

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 11:14

- Noho ny fahatsapana tato ho ato fa mihamitombo be ny isanay mpitsindroka eny amin'ny toeram-panariam-pako,
- Noho ny fahitana fa midina dia midina ny kalitaon'ny fako azonay tsindrohana,
- Noho ny fisian'ireo aretin-tsy fantatra namely ny kibon'ireo namanay saingy soa ihany fa sitrantsitrana fahatany teny tsy misy fanafody,
- Ary noho ny fahafantarana fa olona azo ifampiresahana ianareo dia:
Andininy 1: Miangavy izahay mba tsy ho afangaro loto na fako hafa ny taolana avy eny an-databatra fihinananareo fa atokana @ harona "sachet" madio,
Andininy 2: Mba saraho hiavaka amin'ny varin'apango vaovao ny varin'apango tranainy mba ahafahanay manapa-kevitra na ho hanina avy hatrany ilay tranainy na mbola ho hafanaina,
Andininy 3: Mba asio marika ny ranom-boankazo arianareo miaraka @ tavoahangy mpisy azy na mbola azo sotroina na tsia,
Andininy 4: Raha misy poizina arianareo dia fonosy tsara dia ataovy fato-maty mba tonga dia ho takatray hoe maty izay mihinana azy
Andininy 5: Raha hena manta satria mety efa misy fahasimbana ohatra no arianareo dia mba avy hatrany dia teteho fa indraindray tsy manana antsy izay mahazo azy,
Andininy 6: Miangavy raha mba azonareo atao, aza mandrora anaty fako mbola azo hanina (azonareo ny antony)
Andininy 7: Aza ampiarahana amin'ny fakon-tsakafo ny vakin-tavoahangy na vera na lovia,
Andininy 8: Aza andrasana ho simba be ny sakafo efa tsy tianareo intsony vao ariana fa misy mantsy aminay tsy afaka mampangotraka azy intsony fa tonga dia mandrapaka,
Andininy 9: Noho ny fisian'ireo tsy mahatanty sakafo misy tsirony samihafa mifangaro dia mba atokantokany izay tsy tokony hikambana,
Andininy 10: Miantoka ny fiveloman'ny fianakaviana marobe eto Madagasikara ny ambin-tsakafo arianareo ka maneho fisaorana anareo @ fanajana ireo fangatahana voalaza eo ambony.
Mangataka @ fitondrana izahay mba hanao famonoana alika indray fa mihamaro koa ry zareo ka henjana ny fifandrombahana @ ireo masiaka.

Hantenaina fa hihatra avy hatrany ity filazana ity raha mba misy miraharaha ihany

 

© Nanou Fiankinana R - 7 mey tamin'ny 7h45mn hariva


Hevitra


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

Powered by LifeType