THT - Tena Ho Tsaroanao

Sata Facebook eo anatrehan'ny herisetran'ny zandary tao Ankatso

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 05:40

Naka feo mpitandro filaminana iray malaza aho indray taona dia izao no navaliny : « ianareo manko hoy izy, tsy fantatrareo ny tena zava-misy marina mikasika io fandriampahalemana io, ka hirahirainareo izany resaka zon’olombelona izany… » dia nalandamina teny ny vono olona nifanohy tamin’izany fampandrian-tany izany.

Tahaka izao no tranga hoy ny vavolombelona iray : « misy dahalo manafika ny tanana iray, dia rehefa lasa ny dahalo, dia tonga ny mpitandro filaminana hoe hampandry tany hono. Ary amin’izany izy ireo dia misava isan-tokan-trano ka ireo olona hahatraratrana firavaka sy vola ao an-tokatranony dia heverina toy ny mpangalatra/dahalo. Vono sy herisetra no miandry azy ireo ary manampy izany dia halaina ireny fananany ireny tsy hay hatao hoe hatao inona na omena an’iza. Eo anatrehan’izany dia sady matahotra ny mponina no tsy mahita hosarangotina ihany koa satria rehefa ny olona heverina hampandry tany no mitondra horohoro... dia azonareo an-tsaina. »

« Hitondrana mpaka sary sy hanaovana fihetsiketsehana be ny tranga toy ireny ary fanahy iniana nohadinoina mihitsy fa ilay dahalo anie ka « bandit de grand chemin » e, misy lalana manafay ireny karazan’olona ireny any anaty lalana any. Ny nataon’ny mpitondra aza moa dia nihavana tamin’ireny dahalo ireny ka nitondra toaka, sakafo ary nizarana vola izy ireo. Nisy kazana hetsika toy ny endrim-mpampihavanana mihitsy natao tamin’izany » hoy ity mpandinika iray.

« Ny zava-misy, vao andro vitsy anefa izao dia hoe manangana ady indray amin’ny dahalo ny mpitandro ny filaminana ary ny filoha moa dia mitondra azy ireo ho toy ny fahavalom-pirenena » hoy ny mpitati-baovao. Etsy andanin’izany, ny mpitandro ny filaminana dia maneho herisetra mafy dia mafy amin’ny olona tsy mitondra akory fitaovam-piadiana. Manginy fotsiny hoe : tsy tonga ny mpitandro filaminana raha tsy efa lasa ny mpangalatra/mpamaky trano, Ny mpanodikondim-bola jerem-potsiny. Ny mpanao kolikoly izao efa mampiakatra ny saran’ny raharaha amin’ny vidin’ny vola halainy. Ny vahiny moa dia ireny namono mpitandro filaminana ireny, ireny anefa tsy mba gadraina na nomena fampitandremana akory.

Dia nefa ireny no hitakiana sy handoavan'ny mpandoa hetra vola isak'izay mihetsika izao. Raha mba hindraminao izy fa very entana ianao dia mahazo ianao hoe mba omeo vola any aloha hatao gasoil 30.000 ar io raha kely indrindra, raha tsy izay mitondra fiara na aleo mandeha taxi. Dia raha hanontaniana ny mpitondra dia hoy izy hoe mandry hono ny tany ! Dia aleo ary hatao hoe ekena izany fa mety hanana ny rariny tokoa angamba izy ireo amin'ny asa hataony ? Fa ity : iza tamintsika no efa nandray tombon-tsoa tamin'ny asan'izy ireny ? Ary tsy nandoavam-bola araka ilay maha contribuable ny malagasy tokoa ve izany ?

Domoina ao amin'ny Facebook


Powered by LifeType