THT - Tena Ho Tsaroanao

NAHOANA ?

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 21:56

Mikaro-bola fatratra ny Fanjakana amin’izao fotoana izao, koa dia nampitomboina na ny "droit d’acsise", na ny hetra mahazatra fandoan’ny mpiasa hatramin’izay ; ireo mikarama manodidina ny 50.000 Ar isam-bolana aza dia nasaina nandoa hetra raikitra 2.000 Ar isam-bolana. Fa nahoana raha toa ka ilay hetra nolazaina fahiny hoe "karatra isan-dahy" no averina, saingy ampandoavina avokoa na lahy na vavy feno taona, ka vola farany kely no takina amin’izany. Ireo miasa kosa dia handoa foana hatrany ny hetra fandoany mahazatra. Taloha araka ny tadidy dia misava karatra ny pôlisy ; tsy ilay karapanondrom-pirenena loatra anefa no savainy fa ny taratasy fandoavana io hetra isan-dahy io. Nalaza tamin’izany fa izay tratra tsy mahaloa hetra dia nasaina nanadio ny rano miandrona eo Behoririka io, manala ny tsikafona sy izay fako tafiditra ao. Tsy nisy ny namaly ; fa dia niezaka nandoa ny anjarany avokoa ny rehetra. Fa ankoatra izany kosa anefa dia hita taratra teny rehetra teny fa niverina tamin’ny Vahoaka ny hetra naloany : nisongadina ny fahadiovan’ny tanàna sy ny hakanton’ny zaridaina rehetra, tsy niadian-kevitra ny naha-maimaimpoana ny fitsaboana teny amin’ny hôpitaly sy ny fampianarana teny amin’ny EPP, CEG ary LYCEE. Tsy nisy mihitsy izany fahatapatapahan’ny jiro na tsy fisian-drano amin’ny paompy maharitra fotoana ela izany.

Inona no tombony azo avy tamin’izany ? "Ny entan-jarai-mora zaka", hoy ny ohabolana, ary "ny bokaboka mameno ny kely andilana". Noho izany dia tsy nidangana ny hetra naloan’ny olona. Tena tan-dalàna ny olona tamin’izany, samy natahotra ny ho voasava karatra ka ho tratra fa tsy nahaloa hetra, na taiza na taiza teto amin’ny firenena, koa dia samy niezaka nanefa ny anjarany avy. Vokany : tsy nisy olona mitomoe-poana, mipetrapetraka etsy sy eroa, indrindra manodidina ny tsena. Samy niezaka nitady vola ny rehetra mba hahafahany mandoa hetra. Azo lazaina fa mety ny fiainan’ny mponina tamin’izany satria samy nanana fidiram-bola. Nilamina fehizay koa ny fiarahamonina, satria vitsy dia vitsy no sahy manao asa ratsy tahaka izay misy ankehitriny.

Ny mahalasa ny saina àry dia ny hoe : io fampiakarana ny hetra aloan’ny mpiasa io ve hamerina amin’ny laoniny ka hampiorina tanteraka amin’izay ny fandriampahalemana eto amin’ny tanàna ?

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona.


NY FAMPIANARANA ENY AMBANIVOHITRA

Ankapobeny — Nampidirin'i angona @ 07:33

Na dia mitovy ihany aza ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora rehetra manerana ny Nosy, dia misy dia misy tokoa ny maha-samy hafa ireo izay monina eny ambonivohitra raha ampitahaina amin’izay monina eny ambanivohitra. Raha azo lazaina fa mba manana ihany izay rehetra ilaina hahafahana manatanteraka ny fianarany ny tambonivohitra, na dia tsy lafatra aza izany, ny tambanivohitra kosa dia fefi-pahasahiranana : ny trano fonenana, ny rano fisotro madio, ny herinaratra ho fanazavana, ny fitafiana, ny sakafo dia samy tsizarizary ; ny fitateram-bahoaka tsy misy, ny trano sekoly sady ratsy no lavitra mihitsy ny tanàna onenana, ny mpampianatra dia zara raha misy izay karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny atody, ronono ary vary akotry.

Ny vontoatim-pampianarana omena ny mpianatra ao amin’ireo faritra roa tena tsy mitovy ireo kosa anefa dia iray ihany. Mazava ho azy, araka izany, fa tsy hitovy mihitsy ny fahombiazana mety ho azo. Ireo mpianatra eny ambonivohitra dia afaka manohy ny fianarany araka izay fetra farany mety ho tratrany, satria misy ao avokoa ireo dingam-pianarana samihafa, ary dia mety ho azony avokoa izay fari-pahaizana rehetra ilainy, raha ampy fahazotoana sy fitozoana amin’ny fianarana izy. Fa ny mpianatra any ambanivohitra kosa dia voafetra ihany fianarana azony atao : hatreo amin’ny CEPE ihany amin’ny ankamaroany raha toa ka mazoto mianatra izy.

Rehefa azony anefa io mari-pahaizana io dia miverina ho tantsaha tanteraka indray izy, ka tsy hita izay mampiavaka azy amin’ny zaza mitovy aminy tsy niditra ny varavaran-tsekoly mihitsy. Tsy maintsy mandeha mantsaka, maka kitay, miloloha zezika, miasa tany, manetsa, mamboly ireo hanin-kotrana isan-karazany, mitondra ny biby fiompy eny an-tsaha, mikarakara ny akoho amam-borona… tahaka ny ankizy rehetra ihany.

Eny ! angamba mahay mamaky teny sy manoratra izy ! Eny ! angamba mahay manao kajy tsotsotra izy ! Fa manova inona eo amin’ny fampivoarany mivantana sy haingana eo amin’ny fiainany sy ny an’ankohonany andavanandro moa izany ? Ary dia izany no mahatonga ny saina hieritreritra hoe : sao dia misy karazana fampianarana hafa tandrify ny zaza sy ny ankizy eny ambanivohitra kosa àry tokony homena azy ireny manokana mihitsy ?

Nosoratan'i Désiré Ranaivosoa, nangonin'i Angona


Powered by LifeType